<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H. Smart</author>
<lyrics>[V1]
 Alahady andro tsara,
 Andro fitsaharanay,
 Nitsangananao ry Tompo,
 Andronao, Mpanavotray !
 Eny maminay ny andro
 Andro fiangonanay
 Hiderana Anao, Mpamonjy,
 Sy ny voninahitrao.

[V2]
 Tovy aminay ny teny
 Izay nataonao fahizay,
 Tamin'ny Apositoly
 Fony vory toy izao :
 Raha misy roa na telo
 Amin'ny ny Anarako
 Vory mba hiantso Ahy,
 Ao no hiangonako.

[V3]
 Mba soraty ao am-ponay,
 Tompo ô ! ny didinao.
 Hiasanay saina tsara
 Eto anatrehanao .
 Mba avia, ry Jeso Tompo !
 Tomoera aminay.
 Hitandremanay ny andro
 Izay atokana ho Anao.</lyrics>
<title>Alahady, andro tsara, FFPM240</title>
<hymn_number>240</hymn_number>
</song>